URGENT: Pour une Loi protégeant les DDH/Lanceurs d'alerte à Madagascar

URGENT: Pour une Loi protégeant les DDH/Lanceurs d'alerte à Madagascar

Lancée le
15 mai 2022
Adressée à
Gouvernement, Parlement, Ministre de la Justice - Madagascar
Signatures : 2 625Prochain objectif : 5 000
Soutenir maintenant

Pourquoi cette pétition est importante

[Version française plus bas svp]

ANTSO HO FAMPANDANIANA NY LALANA FIAROVANA NY MPIARO NY ZON’OLOMBELONA SY NY MPISINTONA LAKOLOSY ETO MADAGASIKARA

« Ny Mpiaro ny zon’olombelona dia miaro ny zo fototry ny olona na vondron’olona iray. Tafiditra ao anatin’izay zo arovany izany ny zo amin’ny maha-olompirenena sy ara-pôlitika, ny zo ara-toekarena, ara-tsosialy sy ara-kolotsaina. » (Firenena mikambana, jona 2004).

« Ny mpanaitra firahamonina (na mpisintona lakolosy) dia olona iray izay manambara amin’ny daholobe tranga tsy manara-dalàna na mampiahiahy fantany/hitany teo amin’ny sehatry ny asany, izay mety hampidi-doza ny fiarahamonina, ny tontolo iainana na ny firenena, izany hoe loza mitatao hoan’ny tombotsoan’ny daholobe. » (Amnesty International Frantsa) 

Noho izany dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny sokajin’ny Mpiaro ny zon’olombelona ny Mpisintona lakolosy satria miaro an’io soa iombonana io izy. Ny olompirenena tsirairay dia mety ho Mpiaro zon’olombelona/Mpisintona lakolosy avokoa, ka mendrika ny ho arovan’ny lalàna izy arak’izany. Ny fanairana manoloana ny tsy rariny sy ny tsy ara-dalàna dia ilaina hiadiana amin’ny kolikoly, amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fiarovana ny volam-panjakana, sns. Manamora ny famantarana sy ny fanenjehana ny karazan’olon-dratsy rehetra koa izany. Raha te-hahalala bebe kokoa momba izany ianao dia hasaina hijery ity horonan-tsary fohy novokarin’ny Transparency International – Initiative Madagascar https://www.youtube.com/watch?v=ROPw2CZyhEA&t=5s

Eto Madagasikara dia tandindomin-doza ny Mpiaro ny zon’olombelona sy ny Mpisintona lakolosy satria toa izy indray no voahenjika, indrindra raha toa ka manembantsembana ny tombotsoan’olona mpanam-bola na mpanao pôlitika ny fanairana ataony. Toy izany ohatra no nanjo an-dr’i Raleva, Jean-Louis Bérard, Thomas Razafindremaka, Ravo Ramasomanana sy Jeannot Randriamanana (voasazy hugadra 02 taona satria nitoroka ny fanodikodinana ny fanampiana tokony ho azon’ny traboin’ny syklôna Batsiraï sy Emnati tany Nosy Varika). Tafiditra ao koa i Ketakandriana Rafioson sy Dominique Rakotomalala avy ao amin'ny TI-MG, izay mbola hiaran'ny antsojay ankehitriny. 

Ka mba ampitsaharana ny fampihorohorona sy ny fanampenam-bava an’ireo Mpiaro ny zon’olombelona sy ny Mpisintona lakolosy ; ary koa hiadivana amin’ny fanenjehana tsy ara-drariny mianjady amin’izy ireo dia fotoana izao hametrahana lalàna fiarovana azy eto Madagasikara. Izany dia sady ho fanatanterahana ireo fifanarahana iraisampirenena nankatoavin’i Madagasikara eo amin’ny lafin’ny zon’olombelona, no sady andrasana aminy koa ao anatin’ny « Examen Périodique Universel” (EPU). Ho fanampin’izany, ny fiarovana ireo Mpiaro ny zon’olombelona sy ny Mpisintona lakolosy dia haaporofo fa tena vonona marina tokoa ny Fitondrana hiady amin’ny kolikoly. Satria toa hafahafa ihany ny filazana hoe laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly kanefa sady enjehana ihany ireo mpitoroka azy.

Andao isika olompirenena mba hiara-hangataka ny fanafangainana ny fandaniana azy. Tena maika io satria mety ianao indray, rahampitso, no hiaran’ny antsojay sy higadra noho ny fiarovana ny zon’ny mpiara-belona, ny fiarahamonina misy antsika sns.

MANAN-DANJA NY FANEHOAN-KEVITRAO! Soniavo ity fangatahana ity raha resy lahatra ianao. Andao isika hiara-hientana ho an’ny fandaniana io lalàna io. AMpitapitao! Manantena sy matoky anao izahay!

                                                              ---*---

APPEL A SOUTIEN POUR L'ADOPTION DE LA LOI DE PROTECTION DES DDH/LANCEURS D'ALERTE A MADAGASCAR

"Un défenseur des droits de l’homme (DDH) est quelqu’un qui défend n’importe quel droit fondamental au nom d’une personne ou d’un groupe de personnes. Les défenseurs des droits de l’homme cherchent à promouvoir et protéger les droits civils et politiques ainsi qu’à promouvoir, protéger et mettre en œuvre les droits économiques, sociaux et culturels." (Fiche d'information n°29 du Haut-Commissariat des Nations Unies aux droits de l'homme, juin 2004)

"Un lanceur d’alerte est une personne qui, dans le contexte de sa relation de travail, révèle ou signale un état de fait mettant en lumière des comportements illicites ou dangereux qui constituent une menace pour l'homme, l'économie, la société, l'État ou l'environnement, c'est-à-dire pour le bien commun, l'intérêt général. (Amnesty International France) 

Les lanceurs d'alerte font partie intégrante des DDH car ils agissent pour l'intérêt général. Chaque citoyen est un potentiel DDH/Lanceur d'alerte et de ce fait chaque citoyen mérite une protection juridique en agissant en tant que tel. Le lancement d'alerte est essentiel pour la lutte contre la corruption, la sauvegarde de l'environnement, la protection des ressources publiques, etc. Il facilite la traque des corrompus et malfaiteurs en tous genres et la lutte contre l'impunité. Pour plus d'infos, voir cette vidéo réalisée par Transparency International - Initiative Madagascar (TI-MG)

A Madagascar, les DDH/Lanceurs d'alerte sont en péril. Ils sont systématiquement harcelés et poursuivis en justice, surtout lorsque leurs actions mettent en cause des personnalités politiques ou économiques influentes. Raleva, Jean-Louis Bérard, Thomas Razafindremaka, Ravo Ramasomanana et, plus récemment, Jeannot Randriamanana (condamné à 02 ans de prison pour avoir dénoncé des détournements des aides destinées aux victimes des Cyclones Batsiraï et Emnati à Nosy Varika en sont des exemples vivants, parmi d'autres. Aujourd'hui, ce sont les dirigeants de TI-MG, Ketakandriana Rafitoson et Dominique Rakotomalala, qui subissent ce harcèlement. 

Pour mettre fin à la terreur dans laquelle vivent les DDH/Lanceurs d'alerte, et pour lutter contre le harcèlement judiciaire dont ils sont victimes, il est essentiel que Madagascar se dote d'une Loi pour la protection des DDH/Lanceurs d'alerte. Ceci est non seulement conforme aux standards internationaux des droits humains auxquels Madagascar a adhéré, mais aussi attendu du pays dans le cadre de l'Examen Périodique Universel (EPU). De plus, la protection des DDH/Lanceurs d'alerte serait un signal fort d'une réelle volonté de l'Etat de lutter contre la corruption. Car comment prétendre lutter contre ce fléau tout en persécutant ceux qui le dénoncent? 

Nous, citoyens, devons nous mobiliser pour réclamer l'accélération du processus d'adoption. L'urgence est réelle car demain, ce sera peut-être vous qui vous retrouverez derrière les barreaux pour avoir essayé de protéger les droits de votre communauté, de votre pays, etc. 

VOTRE VOIX COMPTE!! Demandons ensemble l'adoption de cette loi essentielle à notre pays. Faites passer le mot! Nous comptons sur vous!! 

 

Soutenir maintenant
Signatures : 2 625Prochain objectif : 5 000
Soutenir maintenant
Partagez cette pétition en personne ou ajoutez le code QR aux supports que vous imprimez.Télécharger le code QR

Décisionnaires

  • Gouvernement, Parlement, Ministre de la Justice - Madagascar